Ho anao zay tsy te hisotro mangidy 5 taona,
Ho anao zay mbola mieritreritra ny avenir -nao sy ny taranakao,
Ho anao zay niharan’ny délestage 5 taona (Cybercafé, Coiffures, Vulcas, Poissonneries, mpivarotra jus, etc…) ka LEO. Tsisy idiran’ny Covid sy Ukraine io fa fampahoriana tsotra izao dia mody itsetserana avy eo.
Ho anao zay nampanantenàna tsy misy (500Ar kg-n’ny vary, 2500Ar litatriny menaka, drone hiadiana @dahalo, flyover, 1000 bus modernes, tany 1ha, puce -na omby, simenitra @ vidiny mora, sns…)
Ananantsika maro ny mpitandro filaminana sy ny fitaovam-piadiana nefa indrisy fa tsy natao hiarovana ny Malagasy fa hiarovana olom-bitsy.
Tsy omeko tsiny ianao raha nandray vola sy akoho ary menaka androany ary noterena hisikina akanjo handatsa anao.
Ampahantraina ianao dia araraotina @ fahantranao,
Raiso ny vola ary hano ny akoho,
Fa aza amidy ny Fanahy. Aza amidy mora ny Hoavin’ny Taranakao.
Ampy izay ny FANJANAHANA @ lafiny maro !!!
Ndao !