Serge Jovial Imbeh is feeling determined. Amin’ny fo tsy miangatra no hametrahako fanontaniana aminao tsirairay. Niezaka ihany aho ny nanao bilan économique , social … ny zava-bitan’izao fitondrana izao fa Otrany betsaka ny tsy nahazo. Tsy anomezako tsiny

Serge Jovial Imbeh is feeling determined.
Amin’ny fo tsy miangatra no hametrahako fanontaniana aminao tsirairay. Niezaka ihany aho ny nanao bilan économique , social … ny zava-bitan’izao fitondrana izao fa Otrany betsaka ny tsy nahazo. Tsy anomezako tsiny ny rehetra anefa zany Satria samy manana ny fomba fahatakarana ny tsirairay ( niveau intellectuel ) Izany fa aleoko apetraka amin’ny endriny hafa ny fanontaniana. Nandritra izay 5 taona zay:
– Nitombo ve ny harinkarena ao antokatranonao: afaka mamelona ny ankohonanao araka tokony ho izy ianao ary mamelona tsara ny fianakavianao araka ny tokony ho izy.
– Mahazo mitsabo Tena malalaka ve ianao ary nahafapo anao ny fitsaboana
– Mianatra tsara, ampy fitaovana, ary mahafapo anao ve ny fampianarana eto Madagascar sady maimaimpoana
– Ianareo tanora vita fianarana, nahita asa ve ianareo
– Ianareo mpiasam-panjakana: mahafapo anareo ve ny fomba fiasanareo sy ny karama izay raisinareo.
– Ianareo be antitra sy misotro ronono: ampy ve ny pension anareo
– Mandeha tsara ny Jiro sy rano ao antokatranonao
– ny orinam-panjakana JIRAMA, SECREN, CNAPS, SONAPAR, MADAGASCAR AIRLINES, ARO,…. mahafapo anao ve ny fitantanana azy ireo.
– ny vidim-piainana: zakanao ve ?
– Tsy misy olana ve ny lalana izay halehanao. Na route nationale Izany na route urbaine
– Mahafapo anao ve ny fandriamphalemana na eo andrenivohitra na any ambanivohitra.
– Ny asa aman’andaikitra: mahavelona anao tsara ve sady mahavelona ny ankohonanao
– Tsapanao nihena ve ny kolikoly
– Mandeha ary tokony ho izy ve ny raharaham-pirenena
– ny fanehoankevitra sy asa fanaovan-gazety: mandeha araka tokony ho izy ary tsy viatohatohana ny fahalalanao?(liberté d’expression )
Mety betsaka ny tsy voatanisako!
Ka noho Izany raha mahafapo anao ireo dia tohizo zany ny lalanao.
Fa raha tsy zany kosa dia tongava saina ary ampio ireo candidats 11 hametraka ny fifidiana marina, madio ary ekeny rehetra mba hahafahana manorina ny ho avy! Ary Hahafahanao manoratra pejy vaovao
Eto aho dia mandefa hafatra ihany koa ho an’ny fianakaviambe iraisam-pirenena: « on est complice si on ne réagis pas dans une situation catastrophique et celui ou celle qui accepte le mal sans lutter contre lui coopère avec lui ou elle »
@followers
IMBEH Serge Jovial Officiel
AFIMA – Antoky ny Fivoaran’ny Malagasy

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Parlez-nous tout de suite
Bonjour 👋 que cherchez-vous aujourd\'hui ?