FAMBARA HAFANTARANA FA MISY FIDIRAM-BOLA SY FITOMBOANA HARENA Amin’ny fiainana dia misy foana ireo tranga miseho izay milaza amin-tsika ny zavatra hoavy tsy ho ela. Matetika anefa vitsy no mahalala sy mahafantatra ny tian’ireny tranga ireny ampitaina noho

FAMBARA HAFANTARANA FA MISY FIDIRAM-BOLA SY FITOMBOANA HARENA
Amin’ny fiainana dia misy foana ireo tranga miseho izay milaza amin-tsika ny
zavatra hoavy tsy ho ela. Matetika anefa vitsy no mahalala sy mahafantatra
ny tian’ireny tranga ireny ampitaina noho ny tsy fahampian’ny fahalalana
amin’izany. Mety miseho amin’ny endrika hita maso izy ireny, mety hafatra
voaray avy any amin’ny tontolo tsy hita maso toy ny nofy, sy ny « intuition », ny
tsindrimandry, ny hafatra avy amin’ny anges/archanges, sns.
Betsaka ny olona no tsy resy lahatra amin’ny voalohany nefa rehefa mitranga
ilay izy vao tonga saina daholo. Raha nanazava ny fambara milaza
faharavan-karena isika teo aloha dia maro no nangataka ny mba
hanazavana ihany koa ny fambara milaza fidiram-bola sy harena. Na dia efa
betsaka aza ny fambara milaza zava-tsoa nolazaina teto raha tsy ilaza afa-tsy
ny hevitra ambaran’ny tandra sy ny tsiambaratelin’ny hoho amin’ny tanana
isika, dia mba ho fanomezana fahafaham-po ho anareo mpanaraka ny fizarana alefa eto
hatrany no anolorana indray ireto fambara manaraka ireto.
Misy zanak’alika miditra ao an-trano
Rehefa misy zanak’alika miditra ao an-tranonao dia milaza harena hiditra tsy
hoela izany. Alika tsy fantatrao ny tompony fa tonga dia miditra fotsiny izy ary
mipetraka sy tamana be ao an-trano.
Miakanjo mivadika
Rehefa miakanjo ianao ka nanaovanao nivadika ilay izy (Mivadika fa tsy
miamboho), dia midika zava-tsoa sy fahasoavana ara-bola hoavy tsy ho ela
izany. Mazavahoazy fa tsy ataonao fanahy iniana io, tsy tsaroanao akory hoe
mivadika ilay akanjo ary rehefa elaela ianao vao mahatsikaritra azy, na ny
olona no mahita fa mivadika ny akanjo na ny pataloha anaovanao.
Mahita tranon-kala ahitana ny fiatombohan’ny anaranao
Raha mandinika ianareo dia indraindray mamoaka litera eo amin’iny tranonkala mifamatopatotra iny ka rehefa hitanao eo ny fiatombohan’ny anaranao
dia hisy zava-tsoa ho azonao, tsy voatery vola fa zavatra manatsara ny
fiainanao. Tsy mila dinihina be io vao hita fa sendra mitopy fotsiny ny
masonao tonga dia tazanao ilay soratra.
Misy sahona miditra an-trano rehefa avy orana
Aza vonoina na rohasina raha sendra misy sahona tafiditra ao an-tranonao
mandritra ny orana avy fa milaza fidiram-bola sy fitomboan-karena ireny
amin’iny fotoana iny.
Mahita kitron-tsoavaly, na vola vy
Tehirizo tsara raha sendra mahita vola vy ianao, na kitron-tsoavaly eny
amin’ny lalana alehanao eny dia ho hitanao ny vokany. Milaza vola miditra
izy ireny.
Manofy bibilava volamena.
Rehefa manofy bibilava volamena ianao dia tsarovy fa hisy vola hiditra
aminao ary hiakatra ny harin-karen’ny fianakavianao.
Manofy mahita zava-maitso
Raha manofy mipetraka amin’ny toerana feno zava-maitso ianao, na
manofy mahita zaridaina maitso misy rano dia hitombo ny harenanao.
Dia mirary faran’ny herinandro feno fahombiazana sy fifaliana ho anareo
hatrany! Aza hadinoina ny mizara ny torohevitra mahasoa ho an’ny hafa.
Mitomboa Hasina Daholo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Parlez-nous tout de suite
Bonjour 👋 que cherchez-vous aujourd\'hui ?