Real Estate Send message Agence Soleil immobilier Madagascar TANDREMO TSY MAINTSY MILA NOTAIRE TOMPOKO REHEFA MIHOATRA NY 15 MILLIONS AR NY VIDIN’NY TRANO NA TANY KASAINAO HO VIDIANA Arrêté N° 30 286/2011 t@17 OKTOBRA 2011 TANDREMO AO @ KAOMININA MISY IL

Real Estate
Send message
Agence Soleil immobilier Madagascar
TANDREMO
TSY MAINTSY MILA NOTAIRE TOMPOKO REHEFA MIHOATRA NY 15 MILLIONS AR NY VIDIN’NY TRANO NA TANY KASAINAO HO VIDIANA
Arrêté N° 30 286/2011 t@17 OKTOBRA 2011
TANDREMO
AO @ KAOMININA MISY ILAY TANY IHANY NO ATAO NY FIFAMPIVAROTANA RAHA LATSAKY NY 15 MILLIONS AR ILAY TANY HO VIDIANA FA TSY ANY@ KAOMININA HAFA MANODIDINA
TANDREMO
ENY@SAMPANA FANDOAVAN’-KETRA MISY ILAY TANY IHANY NO HANAOVANA NY ENREGISTREMENT AN’ IREO ACTE DE VENTE FA TSY ANY@SAMPANA FANDOAVAN’ KETRA HAFA IVELANY.
TANDREMO
NY VOLA OMENA NY AGENCE IMMOBILIÈRE, NA MPANERA NA MPANELANELANA @FIFAMPIVAROTANA DIA: TSY LATSAKA ARY TSY MIHOATRAN’NY
2,5% HATRAMIN’NY 10%
« HO LAVITRA ANTSIKA NY FITAKA NY OSOKA SY NY FISOLOKIANA »
IRETO AVY NY DINGANA ARAHINA RAHA HIVIDY TANY
(rédigé par agence Soleil immobilier Madagascar)
Maka CSJ latsaky ny 3 VOLANA Ka hamarinina tsara sao misy fampahafantarana Ady « Prenotation » na natao antobola na misy vesatra hafa Makasika ilay TANY.
FADIO NY MIVIDY TANY BOKY ROVITRA
FADIO NY MIVIDY TANY VAO ANDALA-PANGATAHANA PRESCRIPTION ACQUISITIVE
FADIO NY MIVIDY TANIMPANJAKANA AMIN’OLO TSOTRA
FADIO NY MIVIDY TANY TSY MISY BOKITANY TITRA NA KADASITRA NA KARATANY
FADIO NY MIVIDY TANY RAHA ACTE DE VENTE NO ENTIN’NY MPIVAROTRA HIVAROTANA ILAY TANY
FADIO NY MIVIDY TANY NATAO DONATION TAO@FOKONTANY
FADIO NY MIVIDY TANY NATAO ACTE DE VENTE TAO@ FOKONTANY.
SNS…………….
Maka « plan » miisa 03 raha vente en Totalité ary 05 kosa Raha morcellement.
Ao amin’ny CIRTOPO misy ilay Tany no angalana izany ka ny iray atao « coordonnées laborde » ao ihany.
Entina any amin’ny service régional de l’aménagement du territoire SRAT NA DLAT eo amin’ny faritra misy anao ireo taratasy ireo mba hanamarinana fa azo hanatanterahana ny tetikasa kasainao ho atao ny tany ka tsy hanelingelina na hovoaleingelin’ny izay mety ho tetikasam-panjakana (manao « transaction »).
Aza adino mihitsy ny maka mpandrefitany matianina (géomètre expert de Madagascar assermenté) mba hanao ny morcellement na hamaritra ny fetran’ny Tany kasainao ho vidiana (délimitation) mialohan’ny hanaovana FIFAMPIVAROTANA.
Vita izay vao manao ny « acte de vente » ka entina any amin’ny Kaominina avokoa ireo plan 03 na 05 vita certification an’ny mpandrefitany matianina, ny CSJ latsaky ny telo Volana, Ny bokitany Titra na Kadasitra, ny photocopie Cin légalisé an’ny mpividy sy mpivarotra ary ny vavolombelona roa tonta miaraka @fanamarinam’ponenan’ny mpividy, mpivarotra sy ny vavolombelona.
VOLA EFAINA AO@ KAOMININA
@ankapobeny dia Tsy mihoatra ny 2,5%n’ny vidin’ny tany no efainao ao amin’ny kaominina* ary misy « droit fixe » ampiarahin’ny Kaominina @zany arakaraky ny « acte de vente » ataonao.
ENREGISTREMENT&MUTATION
(Fanoratana sy famindrana ny Tany).
Rehefa vita ny fifampivarotana dia: maka ny teti-bidin’ny hetra tokony haloa noho ny fifampivarotana natao (détermination des valeurs administratives du terrains).
Taratasy entina: Bokitany Titra na Kadasitra, CSJ latsaky ny 03 Volana, Acte de vente 5 vita sonian’ny mpividy sy mpivarotra ary ny vavolombelona, plan 5 vita sonian’ny mpividy sy mpivarotra sy ny vavolombelona, autorisation de transaction immobilière », sy ny photocopie Cin légaliser an’ny rehetra.
Toerana alehanao: Eny@ centre fiscal misy ilay Tany ihany
Tsy voatery efaina eo noho eo ny hetra.
Misy sazy noho ny fahatarana anefa raha toa ka tara loatra ny fanaovana ny enregistrement (pénalité de retard)
Erinandro aorian’ny fandoavan-ketra no mivoaka ireo antontan-taratasy manamarina fa vita ny « enregistrement ».
@ankapobeny dia 10%n’ny vidin’ny tany no hetra tokony ho efainao.
Famindràna ny tany ho amin’ny anaran’ny mpividy (MUTATION PAR VENTE).
Rehefa voaefa ny hetra dia azo atao ny famindrana ny tany ho amin’ny anaran’ny mpividy. Any amin’ny sampan-draharaha miadidy ny fananan-tany DDPF misahana ilay Tany no manao ny FAMINDRANA.
Ireto avy ary ny taratasy ilaina raha hanao famindrana azo t@fifampivarotana
(Mutation par vente en Totalité ou morcellement)
Acte de vente enregistré + plan enregistré + CSJ latsaky ny 3 volana + BOKY TITRA NA KADASITRA+ dika mitovy ara-dalàn’ny ireo karampanondrom-pirenen’ny mpividy sy ny mpivarotra sy ny vavolombelona + fangatahana famindrana (demande de mutation) alaina ao@ Box+ lettre d’engagements de mutation.
Ataovy anaty papier chemise madio tsara ireo taratasy rehetra ireo ka atero avy hatrany ao@ireo tompon’andraikitra
RAHA MBOLA TSY MAHATOKY TENA DIA: IANGAVIANA IANAO MBA HANANTONA IREO MPAHAY LALÀNA AKAIKY ANAO NOTERA, HUISSIER SNS…
NA MIANTSO ANAY AGENCE EFA MATIANINA MAKA TOROHEVITRA
AGENCE SOLEIL IMMOBILIER MADAGASCAR 0343263458

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Parlez-nous tout de suite
Bonjour 👋 que cherchez-vous aujourd\'hui ?