FIANAKAVIANA SAMBATRA AO AMIN’NY TOMPO (NY ANDRAIKITRY NY LAHY SY NY VAVY) Zava-kendrena : a) Sakaiza manambady : – mahalala ny andraikitra napetrak’Atra aminy ary manatanteraka izany amim-pitiavana – mitombo @ fifanehoam-pitiavana – manana traik’efa

FIANAKAVIANA SAMBATRA AO AMIN’NY TOMPO
(NY ANDRAIKITRY NY LAHY SY NY VAVY)
Zava-kendrena :
a) Sakaiza manambady :
– mahalala ny andraikitra napetrak’Atra aminy ary manatanteraka izany amim-pitiavana
– mitombo @ fifanehoam-pitiavana
– manana traik’efa hozaraina sy hampitaina @ zandry sy ny taranaka
b) Sakaiza tsy manambady, na manana fofombady:
– mahazo fahalalana ny @ andraikitra miandry azy @ izay ho tokantranony, raha sitrapon’Atra
– voaomana hiatrika ny fanoloran-tsaina izay mpivady manatona azy
– afaka manampy sy manolo-tsaina ireo zandry ao afara
Fampidirana:
Namorona ny olona ho lahy sy vavy Atra. Nanana tetikasa nanao « saha edena » Izy, mila tandremana sy asaina izany. Ny Lahy irery dia hitan’Atra fa tsy hahavita samirery izany andraikitra izany ka dia namboatra Vavy izy ho vadiny.
Nanangana ny fanambadiana Izy Atra ka Lahy iray no vadin’ny Vavy iray, ary samy lehibe ireo fa tsy ankizy na zaza satria « tsy an-jaza ny fanambadiana ». Misy andraikitra iombonan’izy roa @ izany, ary misy ihany koa ny andraikitra manokana ho an’ny tsirairay. Izay fandaminan’Atra izay no hojerentsika eto izao : « Ny andraikitry ny Lahy sy ny Vavy Mpivady ».
Ireo teksta fototra:
Efes 5 : 21-33 ; Tit 2:4; Kol 3 : 18-21 ; 1 Kor 7 : 3-5, 33-34 ; 1 Pet 3 : 1-7 ; Ohab 31 :10-31.
1- Ny andraikitry ny Lahy :
1.1.- Lohan’ny Vavy:
a) Filoha mpitarika sy mpitondra, ivoahan’ny fanapahan-kevitra rehetra = Mizara sy mihaino ny Mpanampy tandrify azy – Mamolavola tetik’asa
– Inona no vinam-piainan’ny Tokantranonao, @ sehatra rehetra : ny fiarahanareo mivady, fitaizana sy fianaran’ny ankizy, ny andraikitra @ fk sy fg, ny vavaka ao an-trano, … ?
– Inona avy no paik’ady hanatanterahana ireny ?
b) Tompon’andraikitra voalohany eo anatrehan’Atra. Tompon’ny teny farany
Oh : Raha misy fahombiazana na, sanatria, tsy fahombiazana ao an-tokantrano dia izy no tompon’andraikitra @ izany
d) Fanaovana ho modely faka tahaka sy arahina @ asa sy fomba ary fitondrantena rehetra, fa tsy sanatria ho « Tahaka ny fary ka ny lohany indray no matsatso ».
à Ny adidiny manoloana ny vadiny no ambony noho ny an’ny Ray aman-dreniny sy ny zanany, fa @ ireo rehetra ireo dia Andriamanitra no tokony ataony ho loha-laharana Mat19 :29.
1.2.- Mitia ny vady tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana (Efes 5 :23-30 ; Fil 2 :5-8)
– Mpamonjy ny vavy = manolo-tena hamonjy azy hatrany
– Manao izay hahamasina sy hampadio tsy misy pentimpentina azy ka hampalaza azy
– Mitia azy tahaka ny tenany
– Mamelona sy mitaiza azy
– Manaja azy = manome lanja azy, ao anatin’izany ny mahatoky = tsy mijangajanga Mal 2 :14- 15 ; Ohab 5 :18-19 « … Aoka tsy hisy hamitaka ny vadin’ny fahatanorany ; … mifalia @ vadin’ny fahatanoranao »
– Mandao ny ray sy ny reniny ka mikambana @ vadiny (fa tsy @ asa, na TV, na ny ankizy, na ny namana sy ny sports, …)
– Tsy mifikitra @ izay heveriny ho reharehany fa manetry tena
manafoana ny tena) hitovy @ vadiny
1.3.- Mitondra ny vady tahaka ny fanaka malemilemy kokoa (1 Pet 3 :7)
Narafitra ho entina tahaka ny « fanaka malemilemy kokoa ny vehivavy », na ara-batana, na ara-pihetseham-po, izany hoe: mila genagenaina mihoatra lavitra noho ireny « objets fragiles » ireny.
– mila ny fanampianao (tànana, hevitra sy tolotsaina) izy @ asa rehetra ataony
– mila ny fitsinjovanao azy sy ny fanaraha-maso avy aminao – Sal 32 :8 ; aiza izy izao, inona no ataony, manao ahoana ny toetr’androny, … ?
– mafy aminy ny mandeha irery fa ianao no ianteheran’ny faniriany rehetra (Gen 3 :16b) mba hizaràny izay mavesatra na izay mahafaly, amborahany alahelo, anehoany ny ahiahy sy tahotra, ilazany ny fikasana amam-paniriany, …
– tsy mihevitra ny vady ho adversaire iadiana, na ifampitahana sy ifanjinjana à mila teny mamy izy fa tsy trerona, tambitamby fa tsy totohondry, fanatonana akaiky fa tsy fandosirana, …
1.4.- Tsy mety sosotra aminy (Kol 3 :19) = tsy manao lolom-po aminy mihitsy.
Sosotra na tezitra @ vadiny ny lahy rehefa misy tsy tiany izay ny teniny, na ny fihetsiny, na ny nataony; dia mihevitra ny anao lahy fa manana ny rariny kanefa diso be izay! Rehefa tsy tia ny teniny, na ny fihetsiny, na ny nataony ianao dia TSY TIA AZY IZAY, @ vehivavy.
Raha vao sosotra ianao lehilahy izany, indrindra raha manao an-dolom-po (mangidy anaty), dia tsy mahavita ilay hoe “Tia ny vady” izay.
Araka izany dia tsara ny mahafantatra ny maha-izy azy ny vadinao :
– nalaina taminao izy = sombiniainao, tenanao  mila tiavina tahaka ny tena
– manana « rafi-pisainana armoire » izy
– sarotiny @ antsipirihan-javatra izy ary mora tohina noho ianao (zavatra kely foana dia mety mahatezitra na mahafaly azy)
– miovaova ny toetrandrom-piainany
– manana intuition noho ianao izy ary mahajery lavitra kokoa aza, koa aza ialonana
– misy lasa nandrafitra azy ho toy izao iainany aminao izao, koa fantaro izany mba hahafahanao mahazo azy dia tsy ho mora sosotra aminy ianao
2- Ny andraikitry ny Vavy :
2.1.- Vady sahaza, mpanampy tandrify :
– Manampy ny vady sy mampahery azy (Gen 2 :18)
– Azon’ny Lahy itokisana. Mitoetra ho maha-te-ho tia eo anatrehany ka mambabo sy mahataona azy ho @ fitondrantena tsara (Ohab 31 :11, 28)
– Miravaka fanetren-tena sy fahalemem-panahy, @ maha-mpanampy (1 Pet 3 : 3-4)
2.2.- Manaiky ny Lahy (Efes 5 :22 ; Kol 3 :18)
Ny Efes 5 :22-24 dia milaza fa mila manaiky ny vadiny ny vehivavy. Miverina io didy io ao @ 1 Pet 3 :1-2. Ny « fanekena » arak’ izany, ao @ Bb, dia midika ho fankatoavana amin-kitsim-po, fa tsy fanompoana toy ny andevom-badiny kanefa anisan’ny fitaovam-pitondrantena mahataona ny Lahy.
a) Ny Efes 5 :22-23 dia manoritsoritra hoe nahoana ary @ fomba ahoana no haneken’ny vehivavy ny vadiny :
– manaiky ny vadiny tahaka ny anekena ny Tompo (22)
– manaiky ny vadiny satria ny lahy no lohan’ny vavy (23)  Mpiara-miombon’antoka aminy @ izay fanapahan-kevitra rehetra raisiny (fa izy no tompon’ andraikitra @ izany eo anatrehan’Atra)
– manaiky ny vadiny @ zavatra rehetra (24)  Tsy mpanara-driandrano anefa fa mikatsaka izay hahasoa sy hampandroso ary hahafaly azy hatrany
b) Manaiky ny vadiny araka izay mety hatao ao @ Tompo (Kol 3 :18)
d) Manaiky miara-mitoetra @ vadiny mandrapahafaty (Rom 7 :2-3). Anisan’ny mampiavaka ny vehivavy manambady sy tokan-tena io satria ny V manambady dia efa nanaiky handray ny vadiny ho namana mandrakizay
2.3.- Tia sy manaja azy (Tit 2 :4-5 ; Efes 5 :33b)
– mametraka ny lahy @ maha-Loha azy, dia mankatò azy
– manaja azy, na ianareo roa samirery, na eny imason’olona fa tsy sanatria izy « atao toy ny valalan’amboa »
– anehoy fisaorana sy fankasitrahana hatrany izy @ izay hetsika tsara rehetra ataony (na dia bitika aza izany)
2.4.- Manampy azy @ izay sehatra rehetra ilàny izany (Ohab 31 :10-31)
– Fikarakarana ny ao an-tokantrano (sakafo, fitafiana, fanaka, ankizy, mpanampy, vahiny, sns …)
– Asa fivelomana : ataovy izay hahatonga azy hatoky anao @ fitantanana ny vola, sns
– Fanoloran-tsaina : tsy àry takatry ny Lehilahy avokoa ny zavatra rehetra, na dia lohany aza izy, fa isika vehivavy vadiny no mpanolotsainany voalohany
Fanamarihana ho an’ny manambady :
a) Izay mampiavaka ny vadinao @ Kristy dia :
– Olona izy (Lehilahy, Vehivavy) fa tsy Atra
– Mpanota izy, ary mety diso fa tsy mba Marina na tsy manan-tsiny toa an’i Kristy
b) Nantsoina ho @ fanambadiana ianareo hifankatia
hifaneho fitiavana)- 1 Jn 4 :7
– hifanaiky @ fahatahorana an’i Kristy (Efes 5 :21),
– hifampiantra sy hifamela heloka (Efes 4 :32),
– hifampihevitra. Mihevitra ny vady = mitady izay mety hatao sy mahafaly ny vady @ izay hahasoa sy hampandroso azy (Fil 2:2-4; Rom 15:2; 1 Kor 7:3-5,33-34)
– hiray saina sy hifanome voninahitra (1Pet 3:8; Rom 12:10) = mifanakalo hevitra hahatongavana @ firaisam-po sy saina; mifaneho fitiavana sy tsy mifanala-baraka, na @ takona na imason’olona
d) Ny fahaizanao Lehilahy maneho fitiavana ny vadinao no mahatonga azy ho mora manaiky anao ; ary ny fianaranao Vehivavy manaiky ny vadinao no hery manosika azy hahay haneho ny fitiavany anao bebe kokoa hatrany
Teny famaranana :
Misy antony ny nanaovan’Atra ny tokantrano tsirairay : io no Edenan’ny Mpivady, ary nomen’Atra andraikitra izy ireo hitandrina sy hiasa ny Edenany. Mitaky finiavana ny andraikitra ary mila manaraka discipline fa tsy mandehandeha fahatany. « Ny lehilahy, @ maha-Lohany azy, dia manana andraikitra hamelona ny afom-pitiavana ao an-tokantrano, raha mitady hitsilopilopy ho faty izany ; fa ny vehivavy kosa, @ maha Vady sahaza azy, dia mila manaiky @ fotoan-tsarotry ny disadisa miseho ».
Na dia izany aza dia manambara ny Bb fa ny Lahy sy Vavy dia manana andraikitra iombonana itakiana ny fifamenoan’izy mivady. Amporisihina hatrany ny mpivady hiankina @ Atra sy hankatò ny Teniny mba hahamora ny fiatrehany ny fiainam-panambadiany.
Source : PI-GBA (UGBM) – Jolay 2014

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Parlez-nous tout de suite
Bonjour 👋 que cherchez-vous aujourd\'hui ?