Ombay mitady i Loki
Omena valisoa izay mahita azy
Salama daholo tompoko!
Tsy nody tao an-trano ry zareo ity sakany ity nanomboka tamin’ny alarobia 3 Janvier alina izy no nivoaka,
(mety hoe hafahafa ilay mandefa annonce nefa vao androany izy no tsy nody fa alefako ihany aloha ny ahy dieny izy mbola tsy lasa lavitra)
Saka lahy izy io
Izy moa efa zatra mivoaka amin’ny alina foana, dia tsy hidianay ny varavarankely dia miditra eo izy rehefa hody
, na raha sendra tsy tonga eo izy dia mety hoe voahidy antranon’olona dia tsy maintsy miverina izy maraina…
Fa androany izy tsy ary nielingelina teo mihitsy efa hatramin’izay nivoahany tamin’ny alina izay ka hatramin’izao hanoratako izao amin’ny 10 ora sy sasany alina
Ka ahianay hoe sao nisy nangalatra na voahidy any antranon’olona na tamana nanaraka saka vavy any( marihina fa saka tsy dia mpanenjika saka vavy izy io) na koa lasa lavitra be dia tsy nahita lalana nody,fa tena tsy fombany mihitsy ilay tsy mody
Manodidina ny Homi avaradoha no misy anay, ka sao sendra misy olona mipetraka ety akaikinay na manodidina an’ampasampito nahita azy, na sao sendra hitanareo misy mivarotra mandehandeha na anaty vondrona mivarotra saka ireny dia mba midira MP amiko Page Kontrana ao an-trano na antsoy ny 034 85 325 38 fa malaelo izahay
Omena valisoa sy tsy misy arakaraka izay mahita azy tompoko…
Fotsy sy mainty io ny lokony
Eo amin’ny sofiny gauche no misy mainty, dia ny rambony( tsy mainty daholo katreny ampotony ny rambony fa misy ambiny fotsy kely eo amin’ny vodiny)
Izy saka kaodikaody be izay( na ny misambotra azy ary mety somary manahirana ihany raha olona tsy zatra azy)
Irariana sy antenaina mba ho hita sy salama soa aman-tsara izy
Mba partageo araka izay azonareo atao re Tompoko ô!
Dia misaotra anareo!