Real Estate
Send message
Agence Soleil immobilier Madagascar
AROVY NY TANINAO TSY HO LASAN’
IREO MPISOLOKY
SAROBIDY NY FANANANTANY
Tatoato dia henotsika matetika t@haino AMANJERY rehetra ny resaka fisolokina Tanin’ olona sy ny resaka ady Tany.
Vokany, mirodorodo miaro ny zony amin’ny fananany tany ny vahoaka na dia tsy ampy aza ny enti-manana.
Etsy an-danin’ izay dia: miha maro ireo MPISOLOKY tanin’olona sy mpibodo tanin’olona ka ny 60% hatr@ 70% ny raharaha mandeha eny@ Fitsarana dia ny resaka tany.
Noho izany, mba hiarovana ny zo ara-pitompoan-tany sy hisorohana ny mety ho ady tany dia ireto misy toro hevitra mafonja avy aty aminay:
1-KARAKARAO NY TARATASY TANINAO
Mba hampamarim-pototra ny fananana TANY iray dia tokony hanao ny fanoratana ny tany ho ara-panjakana amin’ny anarany ny tompotany, mety ho amin’ny alalan’ny fangatahana titra na mety ho@alalan’ny kadasitra na ihany koa karatany.
Raha toa ka lova ilay tany ary efa voasoratra ao anaty bokin’ny mpikajy ny fananan-tany dia: tsara raha tonga dia manao famindrana amin’ireo Mpandova (MUTATION PAR DÉCÈS) fa tsy miandry taona maro aty aoriana vao manao famindrana.
Toy izany ihany koa ny fananana tany azo avy tamin’ny fifampivarotana. Tsara raha Miroso @dingana manaraka fa tsy mijanona EO@ fifampivarotana varomaty(ENREGISTREMENT SY MUTATION PAR VENTE), tahaka IZAY ihany koa ny fanolorana (MUTATION PAR DONATION) tahaka izany ihany koa ny (MUTATION PAR PARTAGE JUDICIAIRE)didim-pitsarana, MUTATION PAR ÉCHANGE…sns tsy tokony andrasana ela ny fanaovana ny famindràna.
FANAMARIHANA:Tsara kokoa raha ianao tompotany mivantana mihitsy no mitondra ny antotan-taratasinao amin’ny Fanoratana sy famindrana ny tany mba tsy hisian’ny teny miampita amin’ny toromarika izay omen’ireo tompon’andraikitra ao@ fananan-tany (Domaine, Topo, BIF) sy mba hialàna amin’ ireo MPIJIRIKA sy izay mety ho fisolokiana na fanararaotana ataon’ny hafa.
TOROHEVITRA: Mila faharetana ny fikarakarana ny taratasin-tany ka mila miezaka Isika ny mba ahavita azy hatramin’ny farany.
Aza Adino fa ny taratasy ampelatanana ihany no hahafahana mamaritra mazava ny zo @ fananan’ Tany (BOKY TITRA, BOKY KADASITRA, KARATANY)
TOROINA HATRANY IANAREO MBA HANANTONA IREO MPAHAY LALÀNA (NOTAIRE, HUISSIER DE JUSTICE, AVOCAT…) REHEFA HIVIDY TANY NA TRANO NA KOA HIKARAKARA TARATASY KANEFA TSY MANANA FOTOANA MALALAKA.
AGENCE SOLEIL IMMOBILIER MADAGASCAR disponible sur WhatsApp 0343263458, MP na
0343263458