:
manala OLATRA, MONY, TASY
Diloilo coco tena pure no ampiasaina!
Matetika dia amin’ny volo no fampiasan’ny vehivavy Malagasy ny diloilo coco
.
Tena mandaitra amin’ny fanadiovana tarehy ihany koa anefa izy ireny, raha ampiarahina amin’ny karibaonetra.
Tena manadio tarehy ihany koa ity fangaro ity.
FATRA :
Arakaraky ny toetran’ny hodi-tava no amarana ny karibaonetra sy ny diloilo coco .
Raha manana hoditra malefaka ianao dia atao indroan’ny sotro kely
fatran’ny karibaonetra ny diloilo coco
FIKARAKARANA :
Afangaroy ny diloilo coco
sy ny karibaonetra. Azo ampiana rano mafana kely ihany koa.
Rehefa mifangaro tsara dia ahosory amin’ny tarehinao.
Mba handraisan’ny hoditra tsara an’ilay fangaro dia orina moramora ny hoditra. Kobano amin’ny rano matimaty avy eo.
Azo ampiasaina toy ny maska ihany koa ity fangaro ity, ka avela hipetraka minitra vitsy eo amin’ny tarehy.
Mirary soa tompoko