Fanalavana volo amin’ny fomba haingana Mila faharetana sy fikojakojana manokana ny volo . Matoa ny volo ela vao maniry na mihintsana be na tapatapaka dia marefo izy izay na misy singa tsy ampy amin’ny vatan’ny olona anak’iray . Anisan’ny fahazarana mila

Fanalavana volo amin’ny fomba haingana
Mila faharetana sy fikojakojana manokana ny volo
. Matoa ny volo ela vao maniry na mihintsana be na tapatapaka dia marefo izy izay na misy singa tsy ampy amin’ny vatan’ny olona anak’iray
.
Anisan’ny fahazarana mila hialana voalohany indrindra ny mamatotra volo rehefa matory amin’ny alina
. Ny famatorana ny volo na fanagejana azy mafy loatra sy matetika dia manapatapaka ny volo ary matonga ny foto-bolo marefo ka ela faniry
.
Ankoatra izay, mila fantarina ny karazana vokatra ampiasaina amin’ny karazam-bolo mifaranaraka ny amin’ny tena.
Ny volo salama no afaka maniry ary mora lava izy rehefa tsara karakara. Anisan’ny fikarakarana tsotra ary azo atao ny fampiasana ny tongolo
hikarakarana ny volo. Ny zavatra ilaina ao anatin’izany dia tongolo
, mazava ho azy. Voasana ny tongolo mena
lehibe dia kikisana na potserina anatin’ireny mixeur ireny mba hahazo ranony. Iny ranony iny avy eo no ahosotra amin’ny hodi-doha sady arahina otra malefaka
. Lomana ao ny loha mandritra ny ora iray raha kely indrindra izay vao sasana toa ny mahazatra ary kobanina amin’ny ranona ravin-goavy
ny farany.
Tsara averina matetika ity fikarakarana ity raha mitady vokatra vetivety
. Marihina fa raha tsy mazaka ilay ranona tongolo
mivantana moa noho ny ahasiahany dia azo atao ihany koa ny manafangaro ny ranona tongolo
amin’ny menaka diloilo coco
na kinana, ary lomana hatrany toa ny teo aloha ihany ny fampiasana azy.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Parlez-nous tout de suite
Bonjour 👋 que cherchez-vous aujourd\'hui ?