DRSP ANALAMANGA/ CSP7
LAVON’NY POLISY TETSY 67HA NY JIOLAHY RAINDAHINY IRAY AMIN’NY FANENDAHANA
Jiolahy iray nampitaraina ny mponina eny amin’ny faritry Ravitoto-Baobab mihazo ny Poste iny no voatifitry ny Polisy ka namoy ny ainy ny marainan’ny alarobia 7 febroary .
Mpanendaka miisa telo izy ireo no nahazoana angom-baovao fa hanao ny asa ratsiny ny alin’ny talata 06 febroary.
Nisy ny vela-pandrika napetraka mba hisamborana azy ireo saingy rehefa niroso tamin’ny fisamborana ny Polisy dia nanohitra tamin’ny
antsy lava ny iray tamin’ireo jiolahy.
Voatery nampiasa hery ny Polisy ka maty tamin’izany ny jiolahy iray raha
tafaporitsaka ny roa hafa.
Mbola karohina ireo jiolahy namany .