,MITSABO NY FIHITSANAM-BOLO Olantsika vehivavy mihitsy ny fihitsanam-bolo satria,vao misy fikorontanana amin’ny vatana dia mitranga izy io. Ny volo anefa no manaingo ny vehivavy ka zava-dehibe loatra. Azo tsaboina ny volo mihintsana rehefa tsy mbola lasa

,MITSABO NY FIHITSANAM-BOLO Olantsika vehivavy
mihitsy ny fihitsanam-bolo satria,vao misy fikorontanana amin’ny vatana dia mitranga izy io. Ny volo anefa no manaingo ny vehivavy ka zava-dehibe loatra. Azo tsaboina ny volo mihintsana rehefa tsy mbola lasa lavitra. Ireto manaraka ireto no fomba tsotsotra maromaro mety ahitam-bokany haingana : -Manafaingana ny fanirin’ny volo ny tongolo
satria manaitaitra ny famokarana « collagènes » – Mila tongolo
mena na tongolo
be 2 na 4. Kikisana ireo tongolo
dia tatavanina. Orina amin’iny ny hodi-doha. Avela hilona eo mandritry ny ora 1 na farafahakeliny 15mn raha tsy dia mahazaka ny fofony. Shampooing malefaka no hanasana ny volo avy eo. – Raha tsy mahazaka na mahatahotra ny hitomany noho ny fofona tongolo
dia azo atao indray ity fomba faharoa ity : – tetehina madinika ny tongolo
4 na 5. Atsoboka ao anaty rano
1 litatra vao mangotraka ny tongolo
voatetika. Avela hiketrika mandritra ny 10mn. Raha efa izay dia ampangatsiahana. Tatavanina dia io rano io no hanasana ny volo vao avy nosasana tamin’ny shampooing. – Marihina moa fa sady mampaniry ny volo no mampangirana azy ny ranona tongolo
., azo asiana huile de coco
na huile de ricin ny volo isan’andro fa anisan’ny mampaniry sy manatevina ny volo ihany koa

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Parlez-nous tout de suite
Bonjour 👋 que cherchez-vous aujourd\'hui ?