Mofonaina Zoma 23 Febroary 2024
Lio.15,25-32
I- AZA TEZITRA SY BE DONGY and.28
« Dia tezitra izy ka tsy nety niditra. »
– Fahatezerana diso toerana ity. Ny zandriny mpiraitampo aminy no tonga, tafaverina, tsy maty fo aman’aina, dia nahoana ianao ry lahimatoa no tezitra? Nahoana ianao ry lahimatoa no tsy mety miditra miara-mifaly @ olona fa be dongy sahala @ io? Ny nirinao izany ry lahimatoa dia tokony ho faty tany ity zandrinao ity? Tokony tsy nibebaka ? Tokony tsy niverina tato an-tranondray ?
– Aza be fialonana tahaka izany ianao. Aza midongy raha mba asaina hiditra hiombom-pifaliana noho ny fahatongavan’ny zandry. Aza omena toerana ao am-ponao ny devoly izay mamboly fankahalana. Zandrinao no mody. Mifalia. Aza midongy.
– Mbola be ny kristianina tezitra rehefa misy fidiran’ny olona ao am-piangonana. Ny sasany manambany firazanana, ny sasany manambany saranga, ny sasany manambany faripahaizana, ny sasany manavakavana volonkoditra. Aza avela hosimban’i satana @ fankahalana ny fonao fa fenoy fitiavana kosa.
– Tsy manam-pitiavana ny rahalahiny ity lahimatoa ity.
-Raiso izay mody, ifalio izay miverina.
– Manàna fitiavana.
II- AZA MIASA MIKENDRY TAMBINY and.29
Hoy ilay zokiny : »Indro izay ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy mbola nandika ny didinao na dia indray mandeha akory aza, nefa izaho tsy mbola nomenao na dia zanak’osy aza mba hifaliako @ sakaizako… »
Hoy ny mpanao heviteny : »Il travaille pour qu’il soit reconnu, pour qu’on le considère dans la maison. Je travaille donc je mérite « .
– Ity lahimatoa ity kay nitaky sy niandry vidinkasasarana t@ rainy. Izy nefa tsy nangataka t@ rainy akory.
– Anisan’ny fahotan’ity mahimatoa ity ny tsy nangatahiny famelankeloka t@ rainy fa nihevitra kosa izy fa mendrika na @ asa na @ toetra ka tsy nangataka na inona na inona. Diso anefa izy noho ny fankahalana nangeja azy.
– Niasa par devoir izy, niasa par intérêt izy, FA TSY NIASA PAR AMOUR.
Mitandrema koa ianao sao hihevitra fa efa niasa be ho an’ny Tompo ka tokony hataon’ny Tompo toy izao, tokony homen’ny Tompo zanak’omby mifahy fifaliana. Aza diso hevitra ianao ka hanompo mikendry tombotsoa sy mitady tambiny eo anatrehan’ny Tompo.
– Tsarovy fa efa nomeny valimbavaka lehibe dia lehibe ianao dia ny Famelankeloka sy ny famonjena. Vokatr’ireo no hanompoanao an’Andriamanitra ao @ Jesoa Kristy.
– Sarobidy @ Andriamanitra ny fanahin’ny olona. Mivelatra ny tànan’Andriamanitra handray ny mpanota. Mifalia ianao raha misy mpanota iray izay mibebaka. Amena.