– Mitondrà tavoahangy plastique ireny efa tsy miasa ireny de asio rano pompe madio, de ataovy maro anaty tobily. Antony: raha sendra mahita olona mandeha tongotra reraka na mangataka rano de mba iny no atsipy (ny tsara dia tsy mijanona fa atsipy ilay izy)
– Mitondràsa paquet sigara na dia tsy mifoka aza. Misy manontany na mila azy io fona any antsefantsefany any
– Mivatsia cadeau na vola na fitaovana efa lay tsy miasa amintsika na zay foy. Mba homena ireny mpianatra sy mpampianatra anaty sekoly tsy zarizary ireny raha sendra mandalo ny tanànanamizy ireo. Mila motivation avy amintsika zareo.
Tohizonareo koa ho anzay mbola misy…..
Bonne vac a tous
NB: maro no gaga tamlay SIGARA. Resaka securité fotsiny lay izy. Par expérience no notenenana anreo. Fa tsy OBLIGATOIRE ireo lazaiko ireo ka. Afaka tsy manome isika, afaka tsy mitondra ninoninona, fa volatsika io, vacance tsika io. Donc à nous de gerer. Fa ny fombantanin’olona fotsiny hajao. Ary aza mihinana KISOA, SAKAITANY NA SAKAMALAO, TONGOLO, mitondra volamena na manao akanjo mena rehefa hilomano am rano tsy fantartra ny tantarany.