- Rija Rasolondraibe
- ANGATAHO
- Angataho ny fanahiny fa homeny anao
- Hay ve ny baiboly i, manambara ny Fanahy
- Hay va re ny Fanahiny mety ho anao mety ho ahy
- Tsy nahalala aho hay mbola misy fahagagana
- Fa ny Fanahiny dia hery sy fahazavana
- Fa maro ny mino nefa tsy manana ny Fanahiny
- Natakalo ny fomba, lasa mafy fo, be ahiahy
- Ka ny marina, ny Baiboly indray no hadino
- Ka tsy miorina, tsy mafy nefa mba mino
- Maro ireo fomba fanao nataon’olombelona tompon-toerana izao
- Fa ny Fanahy herin’ny finoana atahorana ho fatorana
- Raha ho avy ny andro hanoloranao tena hanarahanao ny Ray dia…
- Angataho ny Fanahiny
- Fa maty antoka izay mino an’Andriamanitra
- Nefa tsy manana ny fanahiny
- Fa ny fanahy sy ny talenta no hanampy anao, hanampy anao
- Mahatsara anareo ny fialako hoy Jesosy
- Raha tsy hiala Aho, tsy ho avy ny Mpananatra
- Raha handeha ho any amin’Ilay naniraka Ahy Aho
- Dia ho irahiko Izy, ho aty aminareo, ho aty aminao
- Fa raha tonga Izy, izy hampiaiky ny fahotana
- Hampanao ny marina Izy, hampiaiky ny fitsarana
- Hankalaza Izy, hanambara izay an’ny Ray
- Hitari-dalana Izy
- Maro ireo fomba fanao nataon’olombelona tompon-toerana izao
- Fa ny Fanahy herin’ny finoana atahorana ho fatorana
- Raha ho avy ny andro hanoloranao tena hanarahanao ny Ray dia…
- Angataho ny Fanahiny ho herina
- YouTube: https://youtu.be/ZM6UEH0wb4Y
- Suivez-nous sur les réseaux sociaux :
- Facebook |
- Instagram | https://www.instagram.com/rijarasolondraibeofficiel/
- Site web | https://rijarasolondraibe.com/
- Abonnez-vous à notre chaîne YouTube
- https://www.youtube.com/@rijarasolondraibe