Une vie motivée par l’Essentiel – Découvrez le secret de la satisfaction

NY ANTOM-PISIAN’NY ZAVATRA REHETRA (Andro 7)
(Une Vie Motivée par l’Essentiel – Rick Warren)
– Izy no nihavian’ny zavatra rehetra. (Rom 11: 36)
– Ny zavatra rehetra nataon’ Andriamanitra dia samy misy antony avokoa. (Ohab 16: 4)
Ny zavatra rehetra dia ho an’ Andriamanitra. Ny tanjona fara-tampony ny amin’ny zava-boaary rehetra dia ny voninahitr’Andriamanitra. Izany no antom-pisian’ny zavatra rehetra izay misy ary anisany ianao.
Ny atao hoe voninahitra’ Andriamanitra dia ny maha-izy Azy: ny toetrany, ny heriny, ny fahatsarampony rehetra… Hitantsika n’aiza n’aiza izany :
Oh : Ny endriky ny fiainana hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny kintana, ny filentehan’ny masoandro, ny rivo-doza sy ny fizaran-taona, sns…
Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra.
Ny miaina ho voninahitr’ Andriamanitra no zavatra fikatsaka tsara indrindra. (Sal 119: 1)
Ao @ Kristy no ahitantsika tsara ny voninahitr’ Andriamanitra (Heb 1:3; Jn 1:14)
Tsy afaka manampy n’inon’inona @ izany voninahitr’ Andriamanitra izany isika fa isika no mila: manaiky ny voninahiny, mankalaza sy midera ary maneho an’izany @ fiainana, satria mendrika an’izany Andriamanitra (Apok 4:11). Zava-boaary roa ihany no tsy manome voninahitra an’Andriamanitra eto @ izao tontolo izao dia ny anjely niodina na ny devoly ary ny olombelona.
Ahoana ary no fomba hahafahako manome voninahitra an’Andriamanitra?
– Amin’ny fiderana sy fanompoana Azy = Fiankohofana Aminy amin’ny fitiavana, amin’ny fankasitrahana sy fahafinaretana fa tsy atao ho toy ny adidy. Izay rehetra eo amin’ny fiainantsika
noho izany dia lasa mivadika ho fiankohofana Aminy – (Rom 6:13).
– Amin’ny fitiavana ireo Kristiana hafa. Ny hoe manaraka an’i Kristy dia tsy ny finoana Azy fotsiny fa fidirana ho ankohonan’Andriamanitra sy fianarana mitia io ankohonana’ Andriamanitra io koa. (Jaona 3:14)
– Amin’ny fanahafana an’i Kristy: arakaraka ny anahafahantsika ny toetran’i Kristy no hanomezantsika voninahitra an’ Andriamanitra – (II Kor 3: 18.)
– Amin’ny fanompoantsika ny hafa amin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana natolotra antsika. Ny Tompo dia tsy nanome antsika ny fanomezam-pahasoavana, na talenta mba hampiasai-ntsika ho an’ny tenantsika manokana fotsiny fa mba hanompoantsika ny hafa -( I Pet 4:10, 11;II Kor 8: 19)
– Amin’ny firesahana Azy (fitoriana sy fijoroana ho vavolombelony) amin’ny hafa: Tsy tian’Andriamanitra ho tsiambaratelo fotsiny mantsy ny fitiavany sy ny tanjona ananany. Raha vao mahafantatra ny marina isika dia tiany ny hizarana izany @ hafa.
Source : Famitinana @ teny Malagasy « Une vie motivée par l’essentiel » (Zoky Lalaharivony mivady – PI Sakaiza UGBM 2022-2023)

Parlez-nous tout de suite
Bonjour 👋 que cherchez-vous aujourd\'hui ?