DRSP MENABE/ CC MORONDAVA FANAFIHANA MITAM-PIADIANA MPANDRAHARAHA TERATANY SINOA TAO MORONDAVA: JIOLAHY IRAY TOMPON’ANTOKA VOASAMBOTRY NY POLISY Saron’ny Polisy ilay jiolahy nanafika mpandraharaha teratany sinoa tao Morondava ny alin’ny asabotsy 10 feb

DRSP MENABE/ CC MORONDAVA
FANAFIHANA MITAM-PIADIANA MPANDRAHARAHA TERATANY SINOA TAO MORONDAVA: JIOLAHY IRAY TOMPON’ANTOKA VOASAMBOTRY NY POLISY
Saron’ny Polisy ilay jiolahy nanafika mpandraharaha teratany sinoa tao Morondava ny alin’ny asabotsy 10 febroary 2024 lasa teo tao Nosikely , Kaominina Ambonivohitry Morondava.
Vao naheno angovam-baovao ny Polisin’ny FIP ao an-toerana fa misy trangana fanafihana ao Nosikely dia nidina avy hatrany nijery ny zava-misy. Nandositra ilay jiolahy vao nahita Polisy ka raikitra ny fifanenjehana.vokany, voatifitra teo amin’ny feny ity farany ary nosamborina .
Naratra kosa ilay teratany sinoa ary efa nentina namonjy toeram-pitsaboana.
Araka ny fantatra dia mpiambina tanana tao amin’ity lehilahy teratany sinoa ity ihany io jiolahy nanafika io teo aloha saingy voaroaka nohon’ny fitondran-tena tsy mendrika.Mitohy ny fanadihadiana momba ity raharaha ity.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Parlez-nous tout de suite
Bonjour 👋 que cherchez-vous aujourd\'hui ?