Miss Rose astuce gratuit fanagezana vatana SAKAFO MAHASALAMA ATO Misy ny te-ho ngeza fa mahia na somary kely. Aleo àry mba ho an-dry zareo ny astuces androany. 1. Akondro sy ronono Be calories sy potassium ny akondro : manome hery anao haingana. Raha te

Miss Rose
astuce gratuit fanagezana vatana
SAKAFO MAHASALAMA ATO
Misy ny te-ho ngeza fa mahia na somary kely. Aleo àry mba ho an-dry zareo ny astuces androany.
1. Akondro sy ronono
Be calories sy potassium ny akondro : manome hery anao haingana. Raha te-ho ngeza, mihinàna akondro 1 isa-maraina + rononon’omby mafana 1 vera + siramamy mavokely (na sucre roux) 1 sotro kely na tantely. Mbola afaka mihinana an’io régime io aorian’ny sakafo atoandro sy hariva ! Ny avocat koa manampy @ fampitomboana lanja saingy tsara ampiana sakafo hafa hatrany.
2. Voankazo maina sy voanjo
Mampahazo lanja koa ireto voankazo maina ireto :
– Voanjo
– Mahabibo
– Voaloboka maina na raisins secs
– Voankazo maina hafa
Azonao atao goûter ireo (1 tanana) dia arahina ronon’omby mafana. Raha mihinana isan’andro an’io goûter io + ronono ianao mandritra ny 1 volana, tokony hahazo lanja.
3. Jus de fruits
Ahoana, tsy hampahia ve izany ? An an !!! Ataovy jus ny voankazo tianao + yaourt + siramamy mavokely na tantely. Raha mahita, misotroa lait de coco na ronono avy @ coco nokikisana dia nalona tao anaty ranomafana ary fiazana na potserina. Dia iny ranony fotsy iny no lait de coco azo sotroina 1 isan’andro. Ny manga koa mampitombo lanja fa ampiana ronon’omby !
4. Ny paty sy ny vary
Mahangeza ny paty, indrindra raha ampiana legioma sy hena. Maro ny fomba ahafahanao mikarakara paty : lasopy, min sao… Ary ny vary ? Vary gasy aloha no tsara satria feno otrik’aina isankarazany : vao mainka tsara izy raha atao vary amin’anana dia ampiana patsa, hena kely, na andrahoina @ ronon’omby.
5. La sieste sy sports
Raha afaka ianao, manaova sieste na matory @ tolakandro (45 min – 1 ora). Ny sports koa mampitombo lanja satria mandevon-kanina dia mampitombo ny fitiavanao hihinana. Saingy tsy sports mafy be toy ireny hanao championnat iren